Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ilaka Centre: tohodrano manondraka 180 ha

Ilaka Centre: tohodrano manondraka 180 ha

Noraisina vonjimaika, ny 11 febroary teo, ny tohodrano any Analalehibe, kaominina Ilaka Centre, distrikan’Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Manondraka lemaka 180 ha ity fotodrafitrasa ity, ahitana lakandrano mirefy 5 km. Hiakatra avo roa heny ny voka-bary (5t/ha) ho an’ny tokantrano miisa 173, ao anatin’ny fikambanana Firaisantsoa, any Ilaka Centre. Tsiahivina fa nihena tokoa ny voka-bary tany aloha satria efa ratsy ny fotodrafitrasa sady tsy ampy ny ranon’orana.

Nanatanteraka ny asa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Maep), amin’ny alalan’ny fandaharanasa Defis, mitentina 131 451 331 Ar ny asa. Efa misy koa ny fanajariana velaran-tany, mirefy 2 000 ha any amin’ny kaominina Ihadilalana, ahitana ny tohodrano any Ampitsinjovamborona. Tanjon’ny Defis ny hanajary 8 000 ha any amin’ny faritra Amoron’i Mania, ny faritra Matsiatra Ambony ary ny faritra Ihorombe, hanamboarana tohodrano miisa 41. Eo koa ny fananganana trano fitahirizam-bokatra iraisana (GCV). Hampiofanina mikasika ny teknikam-pambolena ny tantsaha, sady vatsina fiaovana sy masomboly, hiarahana amin’ny Tahirim-pampandrosoana fambolena (FDA).

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.