Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hala-jaza: jiolahy tratran’ny polisy tao anaty tsinkafona

Raikitra ny fifanjevoana! Olona telo no nenjehin’ny fokonolona teny Namontana, omaly. Nitsoaka nihazo ny lalana akaikin’ny Shell Andavamamba izy ireo ka nifanehatra tamin’ny fokonolona ny iray teo. Tokony ho tamin’ny 2 ora latsaka, naharay antso ny polisy fa misy olona voasambotry ny fokonolona eny Andavamamba. Nidina haingana teny an-toerana ny polisy ka natolotry fokonolona azy ireo ity lehilahy voasambotra ity. Voalazan’ny tatitra nampitain’ireo fokonolona eny an-toerana tamin’ny polisy fa hoe mpangala-jaza ity lehilahy tratra ity ary mbola misy naman’izy ireo miafina ao anaty tsinkafona tsy lavitra eo amin’ilay toerana nahasamborana ity lehilahy ity. Nanao ny fikarohana ny polisy ka azo tao anaty tsinkafona ny lehilahy iray hafa tokony ho tamin’ny 5 ora lataka. Mbola misy naman’izy ireo miafina eny amin’io toerana feno tsinkafona io, araka ny fanazavan’ireo fokonolona tamin’ny polisy. Nidina teny an-toerana avy hatrany koa ny polisy nanamarina ny fisian’izany. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ity raharaha resaka hala-jaza ity. Nalefa eny amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona (PMPM) ireto olona voasambotra ireto hanaovana fanadihadiana.

J.C

Les commentaires sont fermées.