Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsirabe: ny andahiny ihany no nanafika ilay vehivavy

Hafa kely! Tao Ambohidravaka Antsirabe ny nitrangan’ity fanafihana ity, ny asabotsy teo. Ny anadahy iray tampo amin’ilay vehivavy lasibatra ihany no atidoha nikotrika nampaniraka jiolahy hanafika azy. Jiolahy miisa 10 mahery indray nanafika tokantranona mpivaro-kena ao Antsena Asabotsy, tamin’io fotoana io. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 5 tapitrisa Ar vidin-kena niaraka amin’ireo firavaka volamena an’ilay renim-pianakaviana tao an-trano. Tsy vitan’izay fa nikasa hanolana ilay renim-pianakaviana tao an-trano ireo jiolahy taorian’ny fanafihana, saingy tsy nifanarahana tamin’ny anadahiny atidohan’ny fanafihana izany ka nihemotra indray ireo jiolahy na efa tsy nahatana ny filan-dratsiny aza. Taorian’ny fanafihana, niantso avy hatrany polisy ireo niharan’ny fanafihana. Tonga haingana teny an-toerana ny polisy ka niroso tamin’ny fanadihadiana rehetra. Fantatra taorian’izay fa jiolahy iray efa mpamerin-keloka ny ahina ho isan’ny nandray anjara tamin’ity fanafihana ity. Nosamborin’ny polisy ka niaiky fa isan’ireo nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana ity mpivaro-kena ity. Izy indray no nanoro ireo namany niara-nandray anjara taminy tamin’izao fanafihana izao ka isan’ireo voatonona tamin’izany ny anaran’ilay anadahin’ilay renim-pianakaviana voatafika. Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny commissariat central ao Antsirabe, natolotra ny fampanoavana ry zalahy ireto ny talata teo ka naiditra vonjimaika am-ponja ary mbola misy jiolahy naman’izy ireo karohin’ny polisy. Nohamafisin’ny kaomisera Raholison Patrick fa misy basy mahery vaika any amin’ireto andian-jiolahy ireto.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.