Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley – CC CAVB Zone 7: hanomboka anio ny fifaninanana

Volley – CC CAVB Zone 7: hanomboka anio ny fifaninanana

Tonga ny nandrasana! Hanakoako mandritra ny herinandro indray ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina sy ny kianja mitafon’Ankorondrano. Hanomboka anio mantsy ny fifaninanana hiadiana ny amboaran’ny CAVB ( Confédération Africaine de Volley Ball), ho an’ny faritra fahafito, i Madagasikara ny handray izany lalao goavana izany. Ela no nanomanana azy ity ary niezaka nanome ny faratampony tamin’ny fikarakarana ny Fmvb sy ny CAVB ary ireo mpanohana marobe. Efa tonga teto an-toerana, omaly avokoa, ireo delegasiona vahiny rehetra nandrasana sy ireo ekipa malagasy avy any amin’ny faritra, vita omaly ihany koa ny fivoriana ara-teknika ka avy hatrany dia hiatrika ny fifaninanana, anio. Tsiahivina, rahampitso alahady ny hanaovana ny lanonana fanokafana hatrehin’ny olo-manan-kaja maro, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ho feno tanteraka, araka izany, ny fandaharam-potoanan’ireo mpankafy ny taranja Volley ball, ka hianoka tanteraka anatin’ny lalao ny rehetra, hatramin’ny 22 febroary izao.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.