Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vokatry ny fanafihana misesisesy: mangataka fiaraha-miasa amin’ny fanjakana

Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny cash point ary nisesisesy mihitsy izany teto an-drenivohitra, tao anatin’ny fotoana fohy. Tranga izay tsy latsaky ny 5 raha tao anatin’ny iray volana monja. Manoloana izany, nanangana fikambanana ireo mpanao Cash point eto an-drenivohitra ary mangataka fiaraha-miasa amin’ny fanjakana hijerena akaiky ny fandriam-pahalemana. Nanambara ny tompona cash point iray eny Itaosy fa miaina anaty tahotra izy ireo ary na ireo mpanjifa aza lasa mitaintaina ihany koa. “Nisesisesy ny fanafihana cash point tato ho ato. ary raha ny tety Itaosy manokana dia efa inefatra nisehoana fanafihana. Mazàna ireo mpanafika, mandeha moto sy manao blouson foana ka misaron-tava sy mitondra fitaovam-piadina”.  Very asa izahay ary miraviravy tanana tsy hanao ny asa intsony raha sendran’ny fanafihana, antony hanaovana izao fitarainana izao sy ny amin’ny fijerana anay, hoy hatrany io tompona cash point io. Nohamafisiny tamin’izany fa isan’ireo manome asa azy ireo ny fanaovana cash point ary isan’ny mampiroborobo ny toekarena amin’ny fampivezivezena ny vola eto Madagasikara. Fantatra amin’izany fa tsy manana fiarovan-tena ireo mpanao cash point sy ireny “assurance” ireny.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.