Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Varotra: napetraka ny tetikasa “Tsinjo”

Varotra: napetraka ny tetikasa “Tsinjo”

Namelabelatra voalohany ny fandaharanasany amin’ity taona ity ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana, omaly, notarihin’ny minisitra, Rakotomalala Lantosoa. Indostria, varotra, asa tanana, fihariana telo lehibe iankinan’ny toekarem-pirenena daholo ireo.

Nasongadin’ny Ramatoa minisitra amin’ity tetikasan’ny minisitera ity ny fitsinjovana ny mpanjifa. Raha tsiahivina, efa nasiana resaka ny fiarovana ny mpanjifa amin’ireo entam-barotra avy any ivelany, izay 80 % mahery miditra eto. Koa hamafisina hatrany izay fitsinjovana ny mpanjifa izay, napetraka ny tetikasa “Tsinjo” amin’ity taona ity. Eo amin’ny sehatry ny varotra, voakasik’izany, indrindra ireo zavatra ilain’ny mponina andavanandro (PPN). Koa amin’izany tetikasa “Tsinjo” izany, tsy maintsy hanaovana tatitra ny tahiry misy, jerena raha mifanaraka amin’ny vidiny niaingana.

Amin’izany tetikasa izany koa ny hijerena ny lalam-barotra sy ny fitsinjarana azy, hisorohana ny tsy fanarahan-dalàna, toy ny mpanjifa mividy entana mivantana any amin’ny mpamongady ; ny mpaninjara tsy manana karatra ; vidin’entana tsy misy faktiora…. “Koa tsy maintsy averina ny fanarahan-dalàna iaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola”, hoy ny minisitra. Ao anatin’izany fitsinjovana ny mpanjifa izany ny ahazoan’ny fanjakana manafatra PPN. “Tsy atao hifaninanana amin‘ny tsy miankina izany fa hizahana izay tsy ataon’izy ireo, nefa ilain’ny vahoaka, koa tsy afaka hitazam-potsiny ny fanjakana. Na izany aza, ny sehatra tsy miankina no hitsinjara ny vokatra fa tsy ny fanjakana”, hoy ihany ny minisitra.

Na manafatra aza ny fanjakana, mandoa haban-tseranana, toy ny rehetra, ny mpamongady izay mahazo ny tsena eo amin’ny fitsinjarana azy kosa mahafeno ny fepetra rehetra, ohatra, fananana toerana fitahirizam-bokatra. Maro amin’ireo mpamongady ireo no tsy mahafeno ny fepetra amin’ny asany ka tsy mahagaga raha be ny mpanararaotra, misondrotra ho azy fotsiny amin’izao ny vidin’entana, ankoatra ireo efa lany andro mampidi-doza ho an’ny mpanjifa.

 

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique