Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: tafaverina ny 20 tapitrisa an’ilay mpandraharaha voatafika

Toamasina: tafaverina ny 20 tapitrisa an’ilay mpandraharaha voatafika

Tsy namelan’ny polisy ao amin’ny boriborintany voalohany Tanambao faharoa Toamasina raha tsy tratra ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ilay fanafihana mpandraharaha naka vola tao amin’ny banky. Tafaverina tsy nisy nandrombinana ny vola 20 tapitrisa Ar…

Dimy hatreto ny isan’ireo jiolahy voasambotry ny polisy, ankoatra ireo mbola karohina. Nandritra ny famotorana ireo jiolahy tao amin’ny biraon’ny polisy no nahalalana fa vao erotrerony avokoa ry zalahy ireto satria 21taona ny zandriny indrindra raha 25 taona kosa ny zokiny dia i Betou ilay nitifitra nahafaty mpamily raha nikasa hitsoaka niaraka tamin’ny volabe izy. Saika halain-dry zalahy handosirana nandritra ny fitsoahana ireo polisy ity fiara kanjo tratran’ny fitohanan’ny fiara. Nohamafisin’ny lehiben’ny kaomisarian’ny Boriborintany voalohany, ny kaomisera Rakotovao Christian, fa tsara ny vokatra azon’ny polisim-pirenena ka nanaovany antso avo ho an’ny fiarahamonina rehetra tsy hanelingelina ny mpitandro filaminana eo am-piatrehana ny asa sarotra toy ireny. Ao anatin’ny fifampitifirana rahateo ny polisy sy ireo jiolahy ka atahorana hahavoa ireo olon-tsotra ny bala, eo no tsy tokony hanelingelenana ireo polisy manao ny asany. Nohamafisiny hatrany koa ny tokony hametrahana isam-pokontany ny andrimasom-pokonolona. Na eo aza izany, tokony ho olona voatsonga eo anivon’ny fiarahamonina ihany no tokony hampandraiketina izany satria sao jiolahy indray no lasa manao andrimasom-pokonolona. Mbola vitsy mantsy ireo fokontany manana izany, araka ny fanazavan’ny kaomisera Rakotovao Christian.

Sajo sy J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique