Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Federal 2»: hidona ny Besetroka sy ny Mang’Art

Rugby – «Federal 2»: hidona ny Besetroka sy ny Mang’Art

Ho fantatra, rahampitso alahady 16 febroary etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, izay handrombaka ny amboara, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Federal 2”, taranja rugby. Hamarana izany, amin’ity ny UAS Cheminots (Besetroka) sy ny Mang’Art Manjakaray. Samy misy mpilalao tanora manana ny fahaiza-manaony sy ny mampiavaka azy ireo ekipa roa tonta ireo ka ho resy izay manao an-kinanga, amin’ity.

Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ihany koa ny fiadian-toerana fahatelo, eo amin’ny “Gold Top 20”, hifanandrinan’ny CNaPS Sport sy ny FTM Manjakaray. Hiendrika famaranana kely ihany koa ny an’ny roa tonta, izay fihaonana tsy mbola fahita firy.

 

Tompondaka

 

 

 

Alahady 16 febroary 2020

Kianja Makis Andohatapenaka

 

Fiadian-toerana fahatelo “Federal 2”

09:00 – FBM Bemasoandro # Stade Olympique de l’Emyrne

Fiadian-toerana “Gold Top 20”

11:00 – 3FAI Vakinankaratra # TFMA Ankasina

Fiadian-toerana fahatelo “Gold Top 20”

01:00 – FTM Manjakaray # CNaPS Sport Matsiatra Ambony

Famaranana “Federal 2”

03:00 – Mang’Art Manjakaray # UASC Cheminots

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique