Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raharaha Tahisy: ho fantatra tsy ela ny marina hoy ny polisy

Manoloana ny feo sy ny resaka mifamahofaho momban’ny nahafatesan’i Tahisy, nanambara ny Direction ny police judiciaire sy ny misahana ny zaza tsy ampy taona ary ny vehivavy fa hanokatra fanadihadiana mahakasika ny raharaha. “Hanao famotorana ny zava-nisy marina ny mpitandro filaminana, hamantatra ny toerana nisehoany, ny hopitaly nitondrana azy, ny fampijaliana nahazo azy ary ny herisetra natao azy” hoy ny kaomisera Seraly Hercule, Directeur de la police judiciaire, nandritra ny fanambarana nataon’ny mpitandro filaminana tao amin’ny tambajotran-tserasera “Facebook”, omaly maraina. Nohamafisiny tamin’izany fa tsy ho ela dia ho fantatra ny zava-nisy marina.

Ankoatra izay, ny vadin’ny filoham-pirenena ihany koa dia nanambara tao anatin’ny pejiny amin’ny alalan’ny “Association fitia” fa manaraka akaiky ny raharaha. « Manaraka akaiky ny raharaha Tahisy ny tenako ary efa eo am-pelatanan’ny BFP na Brigade Féminine de proximité sy ireo mpiara-miasa misehatra ao anatin’ny Ady amin’ny herisetra izany, amin’izao ankehitriny izao”, hoy ny fanambaran-dramatoa Mialy Rajoelina tao amin’ny pejiny. Manana lalàna mifehy ny Ady amin’ny herisetra mifototra isika ary mila hampiharina izany. Ny fisian’ny Fitsarana manokana momba ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy amin’ny mahavavy dia ahafahana mamantatra tsara ny marina momba io raharaha io, hoy hatrany ny vadin’ny filoham-pirenena. Tsy azo ekena ny hisian’ny herisetra amin’ny endriny rehetra eo amin’ny samy mpiara-belona, na ara-batana, na ara-tsaina dia melohiko tanteraka izany.Tsiahivina fa niteraka resabe teo amin’ny mpanara-baovao sy ny fiarahamonina ny fomba nahafatesan’i Tahisy.

H.H

Les commentaires sont fermées.