Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Praiminisitra  Ntsay Christian: “Atsaharo  ny toetranareo mpiasam-panjakana mampahory vahoaka…”

Praiminisitra  Ntsay Christian: “Atsaharo  ny toetranareo mpiasam-panjakana mampahory vahoaka…”

Nantsinkafony ambony ambany. Tahaka ny efa nambarany tany avaratry ny Nosy ihany koa ny nolazain’ny Praiminisitra Ntsay Christian tany Betroka. Nitarika dinikasa  ny tenany tamin’izany, nanoloana ireo mpiasam-panjakana any an-toerana. “Ilaina ny fandraisana andraikitra sy  ny finiavana amin’ny fanompoana vahoaka.  Atsaharo ny toetranareo mpiasam-panjakana mampahory vahoaka”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa ametraka fanamby tsy maintsy hanovana ny tantara  izao  fitondrana izao … Nohitsiny  fa manararaotra ny fahantran’ny  vahoaka ireo sokajin’olona ireo na efa misy olom-boafidy aza. “Natao ho vahaolana  ianareo mpiasam-panjakana  fa tsy tokony ho olana. Matoa manjaka  ny tsy fandriampahalamena, ny asan-dahalo sy ny jiolahy,  noho ny asam-panjakana  izany.  Tsy mandeha amin’ny  tokony  ho izy”, hoy  ihany izy. Nampitandrina anefa ny tenany fa  horaisina ny  fepetra manoloana izany rehetra izany.

Etsy an-daniny, notsiahivin’ny  minisitry ny Atitany, Razafimahefa  Tianarivelo, tamin’izao dinikasa izao  fa tafiditra amin’ny lalàna mifehy ny fitsinjaram-pahefana ny fanendrena ny governora.

Fametrahana ny faritra  faha-23…

Nanteriny koa  fa misy lalàna mifehy ny momba ireo mpiasan’ny kaominina, anisan’ny maha be resaka amin’izao fotoana izao. Anisan’izany  ny etsy Ambohidratrimo. “Misy lalàna tsy maintsy arahina amin’ny fanesorana sy fampidirana mpiasa ary  tokony hijanona  hatreo ny disadisa politika.  Maika ny fampandrosoana… Zon’ny ben’ny Tanàna tanteraka ny mametraka ny lefiny… Ho an’ny mpiasan kaominina kosa, misy ny fifanarahana na mpiasa maharitra  na tsia”,  hoy  izy.

Natsidiny koa fa  ho avy ny fametrahana faritra faha-23  sy ny resaka governora, eo amin’i Vatovavy sy i Fitovinany.  Na  izany aza anefa,  nambarany  fa tsy azo ihazakazahana izany.  “Efa anaty veliranon’ny filoha io faritra io, saingy misy ny an-tanan-tohatra. Anisan’izany  ny dingana fanadihadiana ifotony ary entina amin’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra avy eo. Alefa any amin’ny parlemanta vao ara-dalàna izany…”, hoy ihany ny minisitra.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique