Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitra, Andriamanana Rijasoa:« Ampianarina ho mpitarika sahady ny zaza  »

Minisitra, Andriamanana Rijasoa:« Ampianarina ho mpitarika sahady ny zaza  »

Anisan’ny nivoitra tamin’ny lahatenin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Andriamanana Rijasoa tany Foulpointe, omaly ny fifandraisan’ny zaza sy ny ady amin’ny  tazomoka.  “Ampianarina  sahady izy ireo  hiatrika izany ady izany. Avy eo izy ireo  mampita amin’ny raiamandreniny ary hanamafy fa mila  matory miaraka amin’ny  lay misy odimoka… Mamolavola azy  ho mpitarika sahady izany”, hoy izy. Nanteriny fa mpampita hafatra ny zaza  ary efa mamolavola azy  ho olom-banona  sy mandray andraikitra isika amin’izany. “Tafiditra amin’ny haitarika  izany”, hoy  izy. Maherin’ny 70 000 ireo mpianatra ahetsika handray anjara amin’ity ady atao amin’ny tazomoka  ity.

Niresaka tamin’ireo mpianatra sy mpampianatra tao amin’ny lisea teknika sy ny CEG Radama I tao Toamasina, ny minisitra. Nitondra ny fampianarana sy ny fampiharana momba ilay fomba fampianarana antsoina hoe « astuce pédagogique » natokana ho an’ity herinandro ity ny tenany. « Tafiditra amin’ny  fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto amintsika  izao, ary indrindra mba hisian’ny fifandraisana sy ny fifanakalozana ary ny fifanatonana eo amin’ny tsirairay, eo amin’ny sehatry ny fanabeazana”, hoy  izy.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.