Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Orange pro league»: hanafika ny Fosa Jr ny Ajesaia

Hanomboka anio asabotsy 15, hitohy rahampitso alahady 16 febroary ny lalao miverina, fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange pro league”. Lalao enina, toy ny mahazatra no voalahatra ao anaty fandaharam-potoana. Anisan’ny goavana ny lalao hikatrohan’ny Fosa Jr Boeny sy ny Ajesaia Bongolava. Ekipa efa diso mifankahalala tsara ny roa tonta. Heverin’ny rehetra fa hiendrika famaranana kely ity fihaonana ity. Hatreto aloha, tsy mbola nandresy ny Fosa Jr, tao amin’ny kianja filalaovany mihitsy ny Ajesaia. Hiezaka hanohitra ity ekipa tompondakan’i Madagasikara ity izany ry zareo boaikelin’i Bongolava, izay ao anatin’ny heriny tokoa, amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay, lalao hafana vay ihany koa ny fifanandrinan’ny AS Jet Mada Itasy, izay handray ny Zanakala FC Matsiatra Ambony. Raha ara-taratasy aloha, manan-tombo ny mpilalaon’Itasy, saingy efa ao anatin’ny fahazoana ny hafainganam-pandeha, ankehitriny ny Zanakala FC, ka inoana fa afaka hanohitra tsara izy ireo. Hanala vela ihany koa izy ireo, satria efa resin’ny AS Jet Mada, nandritra ny lalao mandroso, notanterahina tany amin’ny kianja Ampasambazaha.

 

Tompondaka

 

Toy izao ireo fandaharan-dalao rehetra

 

Asabotsy 15 febroary

Kianja Vontovorona

02:30 – AS Jet Mada # Zanakala FC

Kianja Barikadimy Toamasina

02:30 – Tia Kitra # Cosfa

Alahady 16 febroary

Kianja Elgeco Plus By Pass

12:00 – AS Adema # 3FB Atsimo Andrefana

02:30 – Elgeco Plus # Club M Mananara

Kianja Rabemananjara Mahajanga

02:30 – Fosa Jr # Ajesaia

Kianja Ampasambazaha

02:30 – FCA Ilakaka # Cnaps Sport

 

 

Les commentaires sont fermées.