Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Isoanala – Fanafihana karandalana: dahalo roa maty voatifitra, iray tratra

Isoanala – Fanafihana karandalana: dahalo roa maty voatifitra, iray tratra

Azo sambo-belona ny iray tamin’ireo dahalo nanafika karandalana tao Isoanala, Betroka ny alarobia alina teo raha maty rotiky ny balan’ny zandary kosa ny roa. Efatra kosa karohina. Hita ihany koa ireo entan’ny mpandeha norobain’ireto malaso ireto niaraka tamin’ireo omby miisa sivy nangalarin’izy ireo taorian’ity fanafihana taksiborosy ity. Mitentina 12 tapitrisa Ar ireo vola voaroba tao amin’ireo mpandeha. Naratra voatifitra teo amin’ny kibony ny mpamily. Niaiky ity dahalo ity fa isan’ireo nandroba ilay taksiborosy ka nanoro ny toerana nametrahana ireo entana norobaina ary nanonona ireo namany izay ao Isoanala ihany.

J.C

Les commentaires sont fermées.