Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Finoana: nivoaka ny “korany” teny Malagasy

Finoana: nivoaka ny “korany” teny Malagasy

Nampahafantarina   tamin’ny fomba ofisialy  tetsy Ankorondrano, omaly ny fahavitan’ny boky masina  “korany” amin’ny fiteny malagasy. Niara-nanatontosa izany ny teo anivon’ny fikambanana APMM avy amin’ny IFVKK  avy any Soeda. “Herintaona ny nanaovana  izany  ary enim-bolana kosa  ny fanitsiana nialoha ny namoahana azy… Tsy  mora ny asa. Ezahina ny hanapariahana izany  ho an’ny vahoaka malagasy 25 tapitrisa ary ho maimaim-poana  fa tsy vidiana. Mba ialana amin’ny tsaho sy ny feo miely ary koa ny fanaratsiana samihafa momba ny finoana.  Tanjona koa ny hiadiana amin’ny habadoana”, hoy ny eo anivon’ny APMM, i  Zakaria Mohammad.  Notsiahiviny fa ahitana taratra ny hafatry ny Tompo ity boky masina ity.  “Hamoaka  ny olona anaty haizina ka hahitany ny mazava.  Natao hitarihana ny olana hiala amin’ny  fahaverezana”,  hoy kosa  ny avy amin’ny IFVKK, avy any  Soeda, i Mohammad Shad. Niraisan’izy ireo fa midika ho  filaminana  sy fitoniana ary fandriampahalemana ny silamo ary hita taratra amin’ny boky  masina  “korany” izany amin’ny  alalan’ny  fahamarinana.  “Hampifamatotra ny  fiaraha-monina izany.  Tsy mirona fankahalana ny silamo”, hoy izy.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique