Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampiasana ny “rindram-baiko augure”: nihena ny isan’ireo mpiasam-panjakana “matoatoa”

Fampiasana ny “rindram-baiko augure”: nihena ny isan’ireo mpiasam-panjakana “matoatoa”

Efa hita taratra tsikelikely. Nihena ho 13900 ireo mpiasam-panjakana “matoatoa”, araka ny tatitra nataon’ireo mpikirakira ny  “rindram-baiko Augure” , raha toa ka  23 400 izany ny taona 2019. Izany hoe efa manomboka mipoitra tsikelikely izany ny mombamomba ireo mpiasam-panjakana, ka ahalalana ny tena marina.

Efa miroso amin’ny fametrahana ity tekonolojia vaoavao ity  ny eo anivon’ny minisitera  mitantana izany .

Manohana ny  Vondrona Eoropeanina 

Anisany ny minisiteran’ny  Asam-panjakana sy ny eo anivon’ny minisiteran’ny  Vola. “Tanjon’ny fanjakana  rahateo ny  hampiditra ireo mpiasam-panjakana rehetra tsy an-kanavaka ao anatin’ity “rindram-baiko Augure”  ity. Manomboka midina  sy hiparitaka hatrany ifotony izany ka hisitraka izany avokoa ny faritra 22”, hoy  minisitry ny Asam-panjakana  Ranampy Gisele, tany amin’ny  faritra Anosy, ny faran’ity herinandro ity. Nanombohana izany fitsirihana ny momba ny mpiasam-panjakana ny tany an-toerana.

Tsiahivina fa anisan’ny manohana ity hetsika momba ny  fijerena  ny mpiasam-panjakana ity ny eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina  (UE), indrindra teo amin’ny fampitaovana.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique