Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famokarana ronono: manitatra ny fihariany ny 3è mi-temps

Famokarana ronono: manitatra ny fihariany ny 3è mi-temps

Manaraka ny fenitra sy ny kalitao ny ronono vokarin’ny orinasa 3 è mi-temps. Nambaran’ny mpitantana azy sady mpiompy ombivavy beronono, Razafindrainibe Mbolatiana, fa anisan’ny mampiavaka azy ireo ny famokarana ronono tsy mitapoka, mandalo fitiliana sy laboratoara. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasany amin’ny Fandaharanasa Malagasy Dairy Board (MDB), tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE), namatsy fitaovana toy ny vilanibe manokana manaram-penitra fitahirizana ronono, ny fitaovana amin’ny laboratoara, sns, miampy ny fanofanana ny mpiompy sy ny mpitantana.

Tena ataon’ity orinasa madinika ity ny fivarotana ronono manta sy masaka. Manitatra tsikelikely ny fihariany izy, ankehitriny, anisan’izany ny fanodinana ny ronono ho lasa yaourt, yaourt sotroina (à boire), …Anisan’ny vokatra vaovao ny ronono manta anaty fonosana, sy ny yoaurt à boire anaty tavoahangy.

Miitatra koa ny toeram-pivarotana, ka anisan’ny vao nisokatra, omaly, ny etsy amin’ny Pavillon Analakely (669-670). Nambaran-dRazafinindrainibe Mbolatiana, fa tanjona ny manakaiky ny mpanjifa, nahatonga ity etsy Analakely ity, manampy ny efatra eny Anosizato Andrefana (misy telo) sy Soavina Atsimondrano. Vina amin’ny manaraka ny fanamboarana “yaourt brassé”, izany hoe, toy ireny vokarina ara-indostrialy ireny. Efa an-dalana koa ny fametrahana ny fiarovana ara-pikarohana indostrialy.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.