Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cemdlac Analakely- Zavakanto: hanao « Joro » i Fosa sy Rahary valiha.

Cemdlac Analakely- Zavakanto: hanao « Joro » i Fosa sy Rahary valiha.

Mijoro amin’ny maha izy azy… Maneho ny fomban-drazana sy ny zavakanto ao amin’ny firenena iray ny literatiora. Havoitran’i Fosa sy Rahary Valiha ny hasin’ny finoana sy ny tononkalo amin’ny lohahevitra  « Joro »   ao amin’ny Cemdlac Analakely  ny zoma 21 febroary 2020 amin’ny 2ora sy sasany tolakandro . “ Hampahafantatra ny fomba amam-panao malagasy ao anatin’ny literatiora, ary angatahim-pitahiana amin’ny alalan’ny tononkalo vokatry fahasarotam-piainana sy ny  lalan-tsarotra diavin’ny firenena amin’izao fotoana” hoy i Fosa raha nilaza ny tanjon’ny fampisehoana.

Ao anaty fanomanana tanteraka ity hetsika ity ireo mpikatroka amin’izao fotoana izao, ary mampanantena seho miavaka hanomezana fahafaham-po ny mpankafy kolontsaina, indrindra ny zavakanto vita amin’ny teny. Fampivadiana ny rotsim-baliha sy ny tononkalo mandona fanahy no hovoizin’i Fosa sy Rahary eny an-tsehatra, amin’io fotoana io. Hotronin’ireo mpiangaly zavakanto namana izy ireo amin’izany, ary hisy mpihira tsy ampoizina ho avy handravaka ny fampisehoana

Narilala

 

Les commentaires sont fermées.