Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambalatany-Mananjary: nogiazana ilay sambo sinoa mpitrandraka volamena

Iraka avy amin’ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny mpitandro filaminana ary ny solombavambahoaka iray avy amin’ny antoko tsy miankina no antony nanagiazana ilay sambo sinoa mpitrandraka volamena tany Mananjary. “Tsy ara-dalàna ny tartasiny, mbola tsy niasa ary mbola tsy vonona ny hiasa ny sambo”, hoy Andrianandrasana Norbert, solombavambahoaka voafidy tao an-toerana. Nambarany ihany koa fa nitondra ny ekipany ny solombavambahoaka Haja Charlot ao an-toerana ka namotika ny sambo sy ny fitaovany.

Fantatra tamin’izany fa miisa roa ireo sambo tsy manana taratasy ara-dalàna hitrandraka volamena ao Manajary. “Misy ny sambo manana ny permis fa tsy manana ny permis environnemental. Manoloana izany, ny mahasoa ny vahoaka no ilaina ary mety hisy fiatraikany amin’ny tontolo iainana sy ny famokaran’ny tantsaha ny fitrandrahana tsy ara-dalàna”, hoy io solombavambahoaka io.

 

H.H  

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique