Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady totohondry – fifanitsanana JO 2020: hanainga rahampitso ny delegasiona malagasy

Ady totohondry – fifanitsanana JO 2020: hanainga rahampitso ny delegasiona malagasy

Rahampitso amn’ny 4ora tolakandro no hanainga eto Madagasikara  ny delegasiona Malagasy, hiatrika ny ady fifanintsanana, handehanana any amin’ny Lalao Olympika 2020, taranja Ady totohondry.

Miisa telo ireo delegasiona malagasy, ka ny roa mpikatroka, Rasoarinoro Marie Madeleine sy i  Marco Jérôme ary i Félice kosa no mpanazatra. Tsiahivina, ny 19 hatramin’ny 29 febroary no hatao atsy Dakar Senegal ity fifaninanana ity. Manana herijika handrombahana vokatra tsara izy mianadahy ireto, hoy Rabarisoa Hery Mamy, mpikambana eo anivon’ilay task force mitantanana vonjimaika ny federasiona. Nohamafisiny, isan’ireo mpiady sangany eto amin’ny firenena izy ireto ary mino ny tenako, hoy izy fa hanao izay farahery handrombahana izany tapakila izany izy ireto. Izay tsorina fa isan’ny sangany aty Afrika i Madagasikara, eo amin’izany taranja ady totohondry izany, hoy hatrany ingahy Rabarisoa Hery Mamy. Mialoha ny hiaingan’ny delegasiona, nahazo tso-drano tamin’ny filohan’ny Task Force, sady SG-n’ny Kom, Randrimanarivo Harinelina ny delegasiona. Ity farany izay nampatsiahy fa tokony ho anatra ho an’ny rehetra eo anivon’ity taranja ady totohondry ity ny fandravana ny Aiba ity, saingy eto Madagasikara dia saika nahazo laka ny ady sy disadisa mitranga eo anivon’ny fitantanana izany, fotoana tena hamerenana fampianarana ny lalàna, miainga avy any amin’ny atleta, klioba, seksiôna, ligy ary ny federasiona sy ireo teknisiana rehetra izao mba hisian’ny fampandrosoana amin’izay fa tsy variana amin’ny ady seza sy tombontsoa fotsiny ihany. Mila mahay mandefitra sy manaiky ihany koa ianareo tsy lasa, hoy izy satria dia noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana no antony tsy nafahan’ny sasany nandeha, saingy ny fanatanjahantena dia mitohy foana fa tsy tokony ho mora kivy izany.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.