Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tinoka Roberto

Tinoka Roberto

Hentitra ny tenin’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, i Tinoka Roberto, omaly, nandritra ny fandraisany ny Ambasadaoron’i Indonezia, i Anindita Harimurti Axioma, miasa eto amintsika , tetsy amin’ny biraony Ambohijatovo. “Taon’ny asa ity taona ity, aoka izay ny fitsidihana tsy mitondra na inona na inona. Tokony hisy vokatra azo tsapain-tanana ny fifampiresahana toy izao”, raha ny nambarany. Goavana ary betsaka ny asa amin’ity taona 2020 ity, indrindra ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny tanora sy ny fanatanjahantena, vonona hifanampy amin’i Madagasikara amin’izany tetikasa izany ny firenena indoneziana, raha ny resaka nifanaovan’ny Ambasadaoron’i Indonezia sy ny Minisitra Tinoka Roberto. Tena hiasa izy ireo ary nanome toky fa hiaraka hanatanteraka ny vinan’ny MJS dia ny hampandroso ny firenena malagasy amin’ny alalan’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Noporofoin’ity firenena ity tamin’ny fanomezana sahady fitaovana ara-panatanjahantena izany, omaly. Nanolotra baolina ho an’ny minisitera izy ireo, izay marihina fa baolina amin’ny kalitao tena tsara indrindra eran-tany.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.