Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nifandona tamin’ny kamiaobe: potika tanteraka ny lohan’ilay mpitondra moto

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina, omaly hariva teny amin’ny sampan’ Ambohimanambola. Moto iray no nifandona tamina kamiao lehibe iray teny an-toerana. Vokany, maty tsy tra-drano ny mpitondra ny moto, izay tsy nanao aroloha. Nandriaka ihany koa ny ra teny an-toerana ary  potika nandritra ny loza ny lohan’ilay mpitondra moto izay niparitaka teny amin’ny arabe. Ilay moto kosa raha ny fahitana ny zava-nitranga, voatsindry sy voahitsaky ny kamiao mihitsy ka potika tanteraka tamin’izany. Misokatra ny fanadihadiana ary andrasana ny tohin’ny raharaha.

 

H.H

 

Les commentaires sont fermées.