Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – As Adema

Tapa-kevitra ny mpitantana ny As Adema, hanala amin’ny toerany ny mpanazatra Rakotomanana Johnny ary nanendry avy hatrany ny mpanazatra Rakotondrabe Romuald fantatra amin’ny hoe Roro, mpanazatra ny Jet Mada teo aloha. Nisy ny tanjona napetraky ny klioban’Ivato Seranana ity, izay hitan’izy ireto fa tsy tratra ka nahatonga azy ireo hanatsahatra azy amin’ny asa sy ny andraikiny. Azo lazaina fa mbola tsy tara, afaka manenjika sy manarina tsara ny klioban’ny As Adema, ka inoana fa hanao izay farafahaizany ity mpanazatra vaovao ity. Tsy vahiny amin’ny tontolon’ny baolina kitra sy fitantanana klioba ngeza eto amin’ny firenena rahateo izy ka antenaina fa tsy hanavao azy ny hitondra ity klioban’ny As Adema ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.