Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Habibiana mahatsiravina: novonoiny ny vadiny, notsindrominy antsy ny tompon-tranony

Kiaka sy antso vonjy mafy no nataona vehivavy iray, ny alarobia alina teo tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany tao an-tokantranony. Taitra tamin’izany ireo mpiray vodirindrina aminy ka nidodododo nijery ny zava-nisy. Fantatra tamin’izany fa tao amin’ireo mpivady mpanofa trano no nisehoan’ilay kiaka. Novonoin-dralehilahy vadiny tamin’izany io vehivavy io ary nanaovany herisetra feno habibiana. Tonga nanavotra ity farany ireo  olona nahita izany, saingy notsenain’io lehilahy mpanofa trano io tamin’ny tsatok’antsy. Vokany, naratra mafy tamin’izany ny olona miisa telo. Taorian’izay, niantso polisy avy hatrany ireo nanatri-maso kanefa tsy nahatratra ilay olon-dratsy intsony, izay efa nitsoaka.

Nandriaka ny ra ary vehivavy iray nitsitra teo ambony fandriana no hitan’izy ireo. Efa tsy nisy aina intsony io vehivavy io ary mbola nahitana tsindron’antsy nilentika lalina teo amin’ny tandrifin’ny fony. Mbola hitan’ireo mpitandro filaminana tao ihany koa ilay antsy nanindronan’ilay lehilahy ireo olona telo hafa. Ireto farany kosa nalefa vonjimaika tany amin’ny toeram-pitsaboana. Voasambotry ny mpiara-monina tsy lavitra teo ilay nahavanon-doza ary efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Tsy tanteraka anefa izany noho ny fahatongavan’ny polisy teny an-toerana. Niaiky ny helony ralehilahy nandritra ny fanadihadiana azy ary izy no nanindrona antsy ny vadiny ka nahafaty azy. Niaiky ihany koa izy fa nanindrona natsy ireo tompon-tranony. Nanazava moa ity lehilahy ity fa noho ny fanesoesoan’ny vadiny azy matetika no niteraka fahatezerana tao aminy ka nahavitany izao fihetsika feno habibiana izao. Nokasainy novonoina ihany koa ireo tompon-tranony ireo, araka ny filazany. Taorian’ny fampanoavana omaly, nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ralehilahy. Nambaran’ny loharanom-baovaon’ny polisim-pirenena fa efa ho herintaona no nisy ady matetika sy fifampikasihan-tanana izy mivady ireo ka nahavitany izao fihetsika feno habibiana izao.

 

H.H

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique