Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Foulpointe: nanome lay misy odimoka miisa iray tapitrisa ny Amerikanina

Foulpointe: nanome lay misy odimoka miisa iray tapitrisa ny Amerikanina

Mitentina 3,88 tapitrisa dolara ny tentim-bidin’ny lay misy odimoka miisa 1 tapitrisa sy ny fizarana izany izay avy amin’ny fanjakana amerikanina, amin’ny alalan’ny Presidential Malaria Initiative (PMI) izay USAID.

Iandraiketan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fandrindrana ny hetsika fizarana lay misy odimoka maharitra amin’ny alalan’ny tetikasa nasionaly iadiana amin’ny tazomoka (PNLP), sy ny tetikasa Impact an’ny USAID/PMI. Miasa any amin’ny faritra 13 eto Madagasikara ny tetikasa ary miantoka ny ahazoan’ny vahoaka malagasy fanafody sy vokatra ara-pahasalamana tsara kalitao.

Ahitana ny fiaraha-miombon’antoky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa koa ity hetsika fizarana lay misy odimoka ity.

“Mpianatra kilasy taona fahefatra (T4) miisa 70.000 no hiasa ho an’ny fiovana eny anivon’ny fiarahamonina,” hoy ny tale jeneralin’ny USAID, i John Dunlop.

“Naseho azy ireo ny maha zava-dehibe ny lay misy odimoka maharitra sy ny fampiasana azy araka ny tokony ho izy. Noho izany fahalalana ananany izany dia ho lasa mpampianatra izy ireo : hampianatra ny fianakaviany sy ny mpianatra hafa ny antony ilàna ny lay misy odimoka.” Hanampy ihany koa ireo eo amin’ny fitsinjarana ny lay satria izy no mahalala ny tokantrano tsy mbola manana lay na efa simba ao aminy.

Nilaza ny tale jeneraly Dunlop fa modely tena tsara eo amin’ny fiaraha-mientana eo anivon’ny fiarahamonina ho an’ny fahasalamam-bahoaka izao fandraisan’andraikitry ny mpianatra izao.

Hozaraina ireo lay 1 tapitrisa hanatsarana ny fiarovana ny ankohonana any amin’ireo distrika voafantina any amin’ny faritra ianjadian’ny tazomoka eto Madagasikara. Ny hetsika dia natao hanohanana ny tanjon’ny PNLP hiaro ny 90% -n’ny mponina amin’ny fanomezana lay misy odimoka hatramin’ny faran’ny taona 2022.

Marihina fa tamin’ny taona 2018 dia lay miisa 13 tapitrisa no nozarain’ny USAID sy ny Global Fund manerana an’i Madagasikara. Ireto lay 1 tapitrisa ireto izany dia hasolo ireo efa simba ary hiantoka ihany koa ny fiarovana an’ireo tokantrano vaovao.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.