Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filohan’ny ONTM: voafidy fanindroany i Boda Narijao

Filohan’ny ONTM: voafidy fanindroany i Boda Narijao

 Natao, omaly, ny fifidianana ho filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara ( ONTM). Voafidy fanindroany indray i Boda Narijao, hitantana ny ONTM mandritra ny fe-potoana roa taona. Voafidy nandritra ity fifidianana, natao, omaly, ity koa ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny ONTM, toy ny filoha lefitra, Ramampionona Jonah, avy amin’ny Fikambanan’ny Tour operateurs (Top), ny mpitam-bola, Rtoa Nirinalijao Bakomalala, avy amin’ny Fikambanan’ny mpikarakara mpizahatany (AAVM).

Tsiahivina, fa filohan’ny Ofisim-paritry ny fizahantany (ORTM) Nosy Be, i Boda Narijao, ny taona 2016, nialoha ny naha filohan’ny ONTM azy tamin’ny fe-potoana voalohany ary izao lany fanindroany izao indray. Nahomby ny zava-bitany sy ny mpiara-miasa aminy, matoa napetraky ny matihanina amin’ny fizahantany azy ny fitantanana ny ONTM fanindroany indray.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.