Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanafihana sy fanakanan-dalana – RN 13: maty voatifitra ny mpamily ilay taksiborosy Karandalana

Manao ny ataony indray ny dahalo! Fiara Karandalana iray niainga avy aty an-dRenivohitra hihazo an’i Taolagnaro no notafihin’ny andian-dahalo mitam-piadiana mahery vaika teo an-tanànan’i Manakoliva Tsimitsoy, kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka, ny alarobia alina teo. Tifitra variraraka avy hatrany no nataon’ireo dahalo mba hampijanonana ny fiara. Vokany, gorobaky ny bala teo amin’ny kibony ny mpamily ka naratra mafy, kanjo tsy avotra intsony ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Norobain’ireo malaso avokoa ny mpandeha rehetra tao anaty fiara. Lasa ny vola sy ny firavaka sarobidy tany amin’izy ireo. Isan’ireo lasibatra tamin’ity fanafihana ity ny atleta solontenan’ny faritra Anosy avy niatrika fifaninanam-pirenena tao Antsirabe. Tsy nionona teo fotsiny anefa ireo malaso fa nanafika tanàna teo amin’ny manodidina ilay taksiborosy voatafika. Olona roa no notifirin’ireo dahalo. Tonga haingana teny an-toerana ny zandary ka nisy tamin’ireo dahalo no voatifitry ny zandary, saingy tafaporitsaka ihany.

J.C

Les commentaires sont fermées.