Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahabetsahan’ny rotsak’orana: filazana miloko mena any Toamasina I, II….

Any amin’ny 170km atsinanan’i Toamasina no misy ny ivon’ilay sisan-drahona navelan’ny rivodoza Francisco, omaly antoandro. Manatona miadana ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy izy. Ambony ny tahan’ny fahabetsahan’ny rotsak’orana noho izany hafainganam-pandehany mora dia mora izany ka mety hitarika tondradrano.

Efa mikorontana ny toetry ny andro amin’ny morontsiraka atsinanana amin’izao fotoana izao ary hitohy hatramin’ny alahady izany. Nahazo filazana miloko mena ny ao Toamasina I, II, Brickaville, Mahanoro, Vatomandry. Filazana miloko mavo ho an’i Vatovavy-Fitovinany, Antanambao Manampotsy, Marolambo, Mangoro. Filazana miloko maitso kosa ho an’i Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Ambatondrazaka, Manjakandriana, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Andramasina, Ambatolampy, Antanifotsy, Antsirabe I sy II, Fandriana, Ambositra, Manandriana ary Ambohimahasoa.

Mitsahatra ny fampiasana ranomasina ho an’ireo mpiandriaka sy ny mpitatitra an-dranomasina amin’iny ilany atsinanana iny.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique