Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

12 mianadahy voasambotry ny polisy: mitentina 40000Ar ny fonosana rongony iray

Voasambotry ny polisy, ny talata teo ny 12 mianadahy, voalaza ho mpifoka sy mpivarotra rongony eto an-drenivohitra. Nambaran’ny loharanom-baovao avy amin’ny polisim-pirenena fa lehilahy fito tamin’izy ireo no tra-tehaka teny Ambohimahitsy  ary mbola tratra teo am-pidorohana izany tamina trano teny an-toerana. Fantatra tamin’izany fa efa ela no nifohan’izy ireo zava-mahadomelina ka mahalany fonosana iray isan’andro ireo lehilahy ireo. Mahalafo fonosana 10 isan’andro kosa raha mivarotra. Ary eny Ambohimanarina ihany no ividianany ilay zava-mahadomelina amin’ny vidiny 40.000Ar ny fonosana roa. Nohazavain’ny polisy tamin’izany  fa laniany ao anatin’ny enin’andro ireo fonosana ireo ary tsinjaraina amin’ny 500 ar sy 1000ar ny fonosana. Telo tamin’ireo mpifoka zava-mahadomelina no voasambotra teny Nanisana, ny talata teo ihany tokony ho tamin’ny 11 ora ka vehivavy ny roa tamin’izy ireo. Ireto farany izay mbola nahatrarana rongony rarany 400g tao an-tranony. Ilay lehilahy naman’izy ireo kosa dia sady mifoka no mivarotra izay, mahalany roa isan’andro amin’ireo fonosana 500ar, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa mahalafo folo fonosana isan’andro izy amin’ireo rehefa tena mandeha ny tsena. Vidiana amin’ny olona mandalo izay mpanatitra izany eny an-toerana io rongony io ka vidiana 7000ar ny 400g, izay laniana ao anatin’ny roa herinandro.

Rongony milanja iray kilao kosa no tratra tao an-trano fonenana vehivavy iray tetsy amin’ny Tetezana afovoany tamin’ny fisavana ny tranony. Raha ny fanazavana voaray, vidiany amin’ny olona eny an-toerana izany ka vidiany 1000ar ny fonosana.

H.H

Les commentaires sont fermées.