Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy fahaiza-mitantana sy mikajy fotodrafitrasa: simba sahady ny kianja manara-penitra

Tsy fahaiza-mitantana sy mikajy fotodrafitrasa: simba sahady ny kianja manara-penitra

Nidina tampoka teto Toamasina, nijery ifotony ny fotodrafitrasa ho an’ny baolina kitra, ny kianja manara-penitra, etsy Mangarano, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Tinoka Roberto, ny alakamisy maraina teo. Nandritra ny fitsidihana nataony no nahitana fa efa misy simba sy ratsy karakara ka maloto sahady ny fananana iombonana. Nohamafisiny fa asa mbola tsy vita izy ity satria mitaky zavatra vita tsara sy mafy ny filoham-pirenena, ary mbola misy asa fanampiny nanirahany ny orinasa manao ny kianja hotohizana na “travaux supplémentaires”. Na izany aza, tsy tokony hararaotina izay fanohizana ny asa izay fa manana andraikitra ny rehetra hikajy ny fananana iombonana. Raha hiverenana, taorian’ny 24 novambra nandalovan’ny filoham-pirenena tao amin’io kianja manara-penitra io, nisy ny
filazana fa azo ampiasaina ny kianja satria ilain’ny bozaka tsy voajanahary ny fanitsakitsahana hampipetraka azy tsara. Toy izany koa ny ilàna hanaovana baolina matetika eo amboniny. Vokany, ireo mpilalao amin’izao mihitsy no tsy mahay manana zavatra tsara ka izao simba izao sahady ny vokany.

Sajo

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique