Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetikasa Ranavalona-Ecpat France: ady amin’ny fanararaotana ara-nofo

Tetikasa Ranavalona-Ecpat France: ady amin’ny fanararaotana ara-nofo

Natao, omaly teny Antaninarenina, ny fanangonana ny vokatry ny fanadihadiana natao tamin’ny fihainoana ireo haino aman-jery momba ny tetikasa Ranavalona, nivoizana ny ady amin’ny fanararaotana ara-nofo mianjady amin’ny ankizivavy.

Natao tamin’ny toerana fito ny tetikasa ka anisan’izany ny any Toliara, ny any Nosy Be, ny any Mahajanga, ny any Antsiranana, ny any Fianarantsoa ary ny eto Antananarivo. Tanjon’ny tetikasa ny hanavotana ireo ankizivavy niharan’ny fanangolena ara-nofo ka ahafahan’izy ireo manohitra ny fanararaotana eny anivon’ny fiarahamonina ary hananany tetikasa vaovao ho azo tohanana sy maharitra, manomboka amin’ity volana febroary ity.

Vokatra hita tamin’ity tetikasa ity ihany koa ny fampandraisana anjara ny fiarahamonina malagasy amin’ny ady amin’ny fanararaotana ara-nofo mianjady amin’ny vehivavy.

Manana andraikitra feno ihany koa ny mpikirakira vaovao amin’ny haino aman-jery sy ny gazety an-tsoratra. Tokony hisy ny fampidirana ny zo sy ny miralenta ao anatin’ny fandaharana avoaka. Eo koa ny fiarovana ny tombontsoa ambonin’ny ankizy. Ankoatra izany ny fanajana ny sarin’ny ankizy izay marefo izy ireny eny anivon’ny fiarahamonina…

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.