Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“RNS 2020”: hisy taranja vaovao hifaninanana

Araka ny tatitra vao navoakan’ny komisiona mikarakara ny “RNS” (Rencontre sportive nationale) 2020, ho isan’ny taranja hifaninanana amin’ity taona ity ny badminton sy ny hazakazaka 5 km. Eo am-pandinihana ny mahakasika ireo taranja roa ireo ankahitriny ireo mpikarakara. Tsiahivina fa efa nanomboka ny faran’ny volana janoary teo ihany koa ny fisoratana anarana, ho an’ireo taranja hafa ary manana hatramin’ny 13 marsa izao ireo maniry handray anjara amin’ity “RNS 2020” ity. Ankoatra izay, efa fantatra avokoa ireo kianja sy toerana fanatanjahantena handray ny taranja tsirairay. Ho an’ny baolina kitra, ohatra, handray ny lalao ny kianjan’i Salif-Keita, i Ponceau ary i Chat-Perché. Eo amin’ny taranja lomano kosa, ao amin’ny dobo filomanosan’ny Axe Majeur ny hanaovana ny fifaninanana. Handray ny taranja basikety ny kianja mitafon’i Touleuses, i Halle Roller, i Justice ary i Axe Majeur, raha toa ka ao amin’ny kianja mitafon’i Grès sy i Troisième Millénaire kosa ny volley ball. Ho an’ny tenisy, ao amin’ny Tennis Club Cergy-Ponceau ny hifaninana ireo mpandray anjara, ny kianja mitafon’i Complexe Sportif kosa ny taranja tenisy ambony latabatra. Ho an’ny tsipy kanetibe indray, ao amin’ny Boulodrome Giuseppe Gentil, kianjan’i Roger Gault ny hifampitady ireo mpifaninana.

Tsara ny manamarika fa vonona tanteraka handray ny “RNS 2020” ny tanànan’i Cergy ary ampy tsara handray ireo mpifaninana ny fotodrafitrasa ao an-toerana, raha ny nambaran’ny mpikarakara hatrany.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.