Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaomoro: nanome fiofanana ireo zandary kaomorianina ny GSis

Kaomoro: nanome fiofanana ireo zandary kaomorianina ny GSis

Nifarana, omaly, ny fampiofanan’ireo zandary malagasy ny zandary kaomorianina tao Moroni. Nisy hetsika nentina namaranana izany natrehin’ny filoham-pirenana kaomorianina Azzali Assoumani. Nizara roa ny fampiofanana, nanomboka ny 15 desambra 2019 lasa teo: ny fiofanana momba ny fitandroana ny filaminana amin’ny ankapobeny. Nahatratra 77 ireo mpiofana ka ny zandary avy ao amin’ny Centre de formation des unités mobile na CFUM no nitarika izany. Miisa 53 kosa ireo niofana momba ny fiambenana sy ny fitandroana ny ain’ny manam-pahefana izay niantsorohan’ny zandarin’ny GSis eny Ivato. Lanonana ara-miaramila ity lanonana ity nialoha ny famakiana ny Coran, araka ny fomba silamo mialoha ny hanombohan’ny lanonana toy izao. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana narahina fanehoana fahaiza-manaon’ireo mpiofana. Nohamafisin’ny kaomandin’ny zandarimaria, ny Jly Andrianjakana Njatoarisoa, nandritra izany fa efa ny taona 2014 taorian’ny fifanarahana ara-miaramila no efa nisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny zandary malagasy sy zandary kaomorianina. Maro ireo zandary kaomorianina mitazona fibaikoana any Kaomoro, ankoatra ireo mbola manaraka fiofanana ao amin’ny sekoly ambonin’ny zandary ao Moramanga, anisan’izany ny kaomandin’ny zandary kaomorianina amin’izao fotoana izao, ny chef d’escadron Ramadani. Nankasitraka ny filoha Assomani ity manamboninahitra ity amin’ny fahatokisany ny zandary malagasy. Nisaotra ny filoha Rajoelina tamin’ny alalan’ny zandarimaria malagasy koa ny filoha Azzali.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.