Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jobily sy tolakandrom-piderana: hiaka-tsehatra ny Ampifitia, Ny Tsantan’Imahamasina…

Jobily sy tolakandrom-piderana: hiaka-tsehatra ny Ampifitia, Ny Tsantan’Imahamasina…

Taona 1995… Taona 2020, feno 25 katroka ny maha mpitandrina an-dRanaivoniarivo Tiana Alisoa. Tsy holalovana fotsiny io vanim-potoana io fa homarihina amin’ny hetsika « Jobily volafotsy » hotanterahina ny 16 febroary izao, ao amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina. Amin’ny ankapobeny, hizara roa ny fandaharam-potoana amin’io andro io. Ny maraina, manomboka amin’ny 9 ora, fanompoam-pivavahana hotarihin’ny mpitandrina Rakotomanana Jean Roussel. Hitory teny kosa ny mpitandrina Rakotonindrainy Jaona, tonian’ny departemantan’ny fiangonana, foibe FJKM. Fotoana hanaterana eny amin’ny alitara ihany koa ny valopy rodorodon-jobily. Nomarihin’ny mpikarakara fa « hiezaka ny hanao fitafy malagasy ny rehetra amin’io fotoan’ny jobily volafotsy io ».

Ny tolakandro kosa no hanatanterahana ny « Tolakandrom-piderana » miaraka amin’ny Ampifitia (FJKM Isotry Fitiavana), ny Tsantan’Imahamasina, ny Tanora Fanantenana, ny Maintimolaly ary ny Mpiantsa Masina. Anisan’ny hampiavaka ity « Tolakandrom-piderana » ity ny fandraisan’anjaran’ny mpitandrina Ranaivoniarivo Tiana Alisoa sy ny ankohonany amin’ny antsa. Fantatra fa hihira ao ihany koa izy efa-mianaka. Fantatra fa fanokafana ny fankalazana an’Andriamanitra, noho ny jobily volafotsy maha mpitandrina azy, ity hotontosaina ity fa mbola hisy ny ho tohiny.

Marihina fa ao anatin’ny synodam-paritany Antananarivo Andrefana no misy ny fitandremana Atsimon’Imahamasina.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique