Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Mampihorohoro ny fandehanana amin’ny lalam-pirenena

 Izay iray mampitebiteby. Amin’ny làlana maro fiara mivezivezy, mitombo arak’izay ny loza mety hiseho. Any amin’ireo làlana vitsy mpandeha dia arak’izay fahanginginana izay no anararaotan’ny andian-jiolahy anakanana izay fiara mandalo ahafahany manendaka ny mpandeha.

Mbola eo am-panamboarana moa fa na rehefa vita soa aman-tsara aza ny ankamaroan’ny làlana ka tsy misy ny ezaka ho fitandroana ny fitrangan’ny loza noho ny tsy fananan’ny maro toe-tsaina ampy fitandremana ary andaniny mbola manjaka ny asan-jiolahy noho ny hamaroan’ny toerana lavitra andriana, mbola halaindaina avokoa na ny mpitatitra entana na ny taksiborosy ahafahan’ny mponina mivezivezy, na ny fiara madinika mitondra fianakaviana na mpizahantany, noho ny fahavoazana mety hitranga aminy.
Roa tonta arak’izany moa ny fahavalo, andaniny ny ankamaroan’ny mpamily izay samy tsy ampy fitandremana ny betsaka, ankilany ireo mpandroba. Raha mikasika ny fanajana ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana an-dalambe dia ny fahatahorana ny mpitandro filaminana no antoka voalohany. Mazava ho azy fa toy izay koa ny momba ny fanefitry ny asan-jiolahy.
Angamba tsy ampy ny polisy sy zandary ho an’ny fanatanterahana an’ireo adidy maro iantsorohany ambonin’izany ezaka fisorohana ny fitrangan’ny loza samy hafa any amin’ireo lalam-pirenena mamakivaky ny nosy.
Hay ka ato an-trano ihany no misy ny fanafody. Asa na firimpolo taona aty aoriana no nananganana ny tafika vao nitsimoka ny hevitra momba ny fanomezana adidy ho an’ny tafika hanatevina ny herin’ny zandary sy polisy ho fitandroana ny filaminana. Samy manana ny andraikiny mazava moa, ny an’ny tafika dia fiarovana ny vahoaka sy ny tanindrazana manoloana ny loza sy fahavalo avy any ivelany. Manoloanan’ny loza mananontanona noho ny fihetsika sy herisetra mipoitra eto an-toerana dia tsy mahefa ny tafika raha tsy miaraka amin’ny zandary na polisy izay «manam-pahefana ao anatin’ny sehatry ny fitsarana».
Araky ny fanambarana avy amin’ny tompo-pahefana dia ny fametrahana an’izay rafitra izay no tanterahana haingana ankehitriny. Hitombo tampoka tsy ho ela ny isan’ny mpitandro filaminana na am-bohitra na an-tsaha. Ho hita eo ny tena vokatr’izany, raha tsy milamina ny tany ary raha tsy tony arak’izay ny mponina, na inona na inona ezaka tsy hisy ny fandrosoana.


Léo Raz  

Les commentaires sont fermées.