Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra Ihorombe: miompy omby araka ny fomban-drazana

Faritra Ihorombe: miompy omby araka ny fomban-drazana

Mandalo fotoan-tsarotra, hatry ny ela, ny faritra Ihorombe any atsimon’ny Nosy. Ihosy no renivohitry ny faritra, miampy distrika roa, Ivohibe sy Iakora. Tsy mivoatra ny fiompiana omby miampy ny asan-dahalo.

84,5 % ny tantsaha, maro anisa ny foko Bara, mpamboly vary, katsaka, mangahazo, tsaramaso, indrindra mpiompy omby, fototry ny kolontsaina any amin’ny faritra. Amin’ny ankapobeny, tsy ampy ny voka-bary any amin’ny faritra. Misy ihany anefa ireo tantsaha any atsinanan’ny faritra, mamboly fary, kafe, sns. Na izany aza, tsy mivoatra ny fambolena, tsy miova rahateo ny velaran-tany volena.

Mampalaza ny faritra ny omby, 72 % ao amin’ny distrikan’Ihosy, izay maro anisa ny foko Bara manana azy, saingy miompy araka ny kolontsaina sy ny fomban-drazana. Tsy mamono omby, ohatra, raha tsy misy maty, na lanonana; tsy mivarotra, raha tsy efa tena ao anaty fahasahiranana tanteraka ny fianakaviana. Tsy misy antontanisa mazava ankehitriny ny omby any amin’ny faritra Ihorombe.

Ao anatin’izany kolontsaina fiompiana izany ny fangalarana omby, mivadika asan-dahalo ankehitriny. Tsy misy fiovana hatramin’izao, tsy mampisy fandriampahalemana any ambanivohitra. Betsaka, noho izany, ireo mpifindra monina sy mivadika any amin’ny lalam-pihariana fitrandrahana vatosoa, indrindra ny safira, ifantohan’ny vahiny.

Tsy fisian’ny fotodrafitrasa

Olana iray goavana any amin’ny faritra, any amin’ireo kaominina ambanivohitra maro, ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa, toy ny lalana, ny trano fitsaboana, ny biraom-panjakana, ny sekoly. Amin’izao taonjato izao, mitombo ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra, araka ny fanadihadiana nataon’ny Fida (Fonds international de développement agricol). Karazany mitoka-monina, tsy manana fifandraisana amin’ny hafa, ny distrikan’Iakora sy Ivohibe.

Fehiny, anisan’ny faritra mena ny any Ihorombe noho ny tsy fandriampahalemana mahazo vahana avy amin’ny asan-dahalo mpangalatra omby. Mitombo isa hatrany ny tantsaha mahantra, tsy manana omby sy fitaovana hoenti-miasa.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.