Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahafahana… andraikitra      

Anisan’ny fanambin’ny fitondrafana amin’izao ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna. Mby aiza? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Mafimafy sy sarotsarotra ny fampiharan-dalàna rehefa tsy ananana fahasahiana sy tsy mahazatra izay ela izay. Na ho an’ny mampihatra izany, na ho an’ny ampiharana.

Amin’izany, lazaina fa misy ny famoretana, ny jadona, ny tsy fifampitsinjovana… Tsy efa fisorohana mialoha izany rehetra izany ve ny lalàna? Fepetra hisian’ny fifandaminana sy fifanajana eo anivon’ny fiarahamonina. Manomboka eo amin’ny fahafahan’ny hafa ny fahafahan’ny tsirairay amin’izany.

Fizakana zo sy fandraisana andraikitra ny hoe fahafahana fa tsy fahazoana manao izay tiana hatao; indraindray, mety hianjera amin’ny fihoaram-pefy. Ilaina ny fifamarafarana amin’izany mba hampahazava ny raharaha amin’ny hoe fampanajana sy fampiharan-dalàna? Mila fantarina koa ny lalàna…

R.Nd.

Les commentaires sont fermées.