Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampanihy Andrefana: tratra ny henan-tsokatra 350 kilao sy ny sokatra fito

Ampanihy Andrefana: tratra ny henan-tsokatra 350 kilao sy ny sokatra fito

Araka ny loharanom-baovao avy any amin’ny kaompania zandarimaria Ampanihy Andrefana, tratra ny alarobia 5 febroary teo, tany Antranoavo, kaominina Androhipano, distrika Ampanihy Andrefana, faritra Atsimo Andrefana, ny henan-tsokatra nohamainina, milanja 350 kilao, natao tanaty gony miisa 14, sy ny sokatra velona miisa fito. Karazan-tsokatra “radiata”, tsy fahita raha tsy eto Madagasikara, ireto tratra ireto, izay voararan’ny lalàna ny fihazana, ny fakana ary ny fivarotana azy. Tsy hita ireo olon-dratsy nanao ity heloka ity.

Olona tsara sitrapo no nanao fanairana ny zandary, niaraka amin’ny Madagascar National Park (MNP) sy ny fikambanana iraisam-pirenena WWF. Nodorana ny 10 febroary teo ireo henan-tsokatra, hiarovana ny fahasalamam-bahoaka. Noraisin’ny lehiben’ny sampandraharahan’ny Tontolo iainana an-tanana kosa ny fitantanana ireo sokatra velona, mialoha ny hamerenana azy ireo any amin’ny toerana tokony hasiana azy.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique