
Nivoaka, omaly, teny amin’ny fitsarana Anosy ny didim-pitsarana mikasika ilay « Raharaha tandra », nitorian’ny mpitsara iray ny mpikabary, Raharison José William. Natsahatra ny fanenjehana azy, nohafahan’ny fitsarana madiodio izy, ary nolavin’ny fitsarana ihany koa ny fangatahana onitra nataon’ny mpitory.
Afaka madiodio Raharison José William na i José mpikabary, ilay lehilahy mpikabary notorina mpitsara iray noho ny resaka tandra, ny volana desambra lasa teo. Mbola nolavin’ny fitsarana ihany koa ny fangatahana onitra nataon’ny mpitory Izay ny didy navoakan’ny fitsarana, omaly teny amin’ny tribonaly Anosy. Tsy nampiakatra ny raharaha ny voampanga taorian’ny valim-pitsaran’ny tribonaly. Nanambara izy, taorian’ny fitsarana azy omaly, fa tsy ataony ho sakana amin’ny asany amin’ny maha mpikabary azy ny tranga niseho fa mainka aza hanohizany hatrany ny asany izany. Raha tsiahivina, ny fampiasana ilay fomba fitenenana hoe “manatrika eto ny ray aman-dreny tena manja, fa ny tarehiny aza voaravaka tandra”, nandritra ny kabary am-panambadiana nataony teny amin’ny akany FJKM Alarobia Amboniloha, ny asabotsy 14 desambra 2019, ny anton’ny fisamborana ary nampidirana “violon” azy. Taorian’izay, niakatra fampanoavana ny raharaha ary niteraka resabe teo amin’ny fiarahamonina sy ny tambajotran-tserasera. Nanome tsiny ilay mpitory avokoa izay rehetra naneho hevitra. Naneho firaisankina ihany koa ireo mpikabary namany ary tonga marobe nanotrona azy teny amin’ny fitsarana, omaly.
Fanararaotam-pahefana
Araka ny nambaran’ny loharanom-baovao iray, tsy vao izao io lehilahy mpitsara io no mitory olona. Manampatra ny fahefany mihitsy izy amin’izany. Resy kosa anefa ny lehilahy tamin’ity indray mitoraka ity ary andrasana ihany ny mety ho fepetra raisina mahakasika ny fanararaotam-pahefana ataony.
Henintsoa Hani
Les commentaires sont fermées.