Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Facebook », fitaovam-piadian’ny kerisay koa

« Facebook », fitaovam-piadian’ny kerisay koa

“Facebook”… Asa na ny toy izao indrindra ny tanjon’i Mark Elliot Zuckerberg, raha namorona ity tambajotran-tserasera malaza sy be mpampiasa indrindra maneran-tany ity, tany am-boalohany. Nanova ny fifaneraseran’ny olombelona manerana ny firenena maro izy, ary endrika hita mason’ny fandrosoan’ny teknolojian’ny ita sy ny serasera. Nitondra fandrosoana, fa nitondra lafy ratsy ihany koa, ka nahatonga ireo firenen-kafa, toa an’i Sina, mandrara ny “Facebook” any aminy.
Mety amintsika eto Madagasikara ve ity “Facebook” ity, raha oharina amin’ny tambajotran-tserasera hafa? Fanontaniana efa ela nipetraka io fa ny valiny azo tsapain-tanana aloha dia marobe ny mpampiasa azy, indrindra taorian’ny nidiran’ny finday avo lenta. Maro, kanefa vitsy kosa indray raha oharina amin’ny tena          isan’ny Malagasy manerana ny Nosy. Tsia, tsy misy 10 isan-jato akory …
Fa ao anatin’ireo Malagasy mpampiasa ny “Facebook”, mbola vitsy koa ny mahay mampiasa izany, araka ny tokony ho izy. Toa tsy fitaovana ifaneraserana, ifanakalozam-baovao, ifampizarana ny tsara sy ny ratsy fa indrindra, ifandraisan’ny lavitra intsony ity izy. Lasa sehatra fanehoana fahasorenana, fanompana, fanosoram-potaka, fanalam-baraka, fitsarana, fampitana vaovao marina na diso, sns, fanaratsiana ny mpifanandrina politika, ilay tambajotra…
Ny loza, lasa fitaovana ampiasain’ireo kerisay, tsy sahy miseho mivantana fa miafina amin’ny anarana sy kaonty foronina ao ambadiky ny ordinatera na ny findainy ao… Lasibatra ny gazety Taratra, tato ho ato. Misy manova ny lohatenin’ny pejy voalohany, entina hanaratsiana olona. Ny mpamaky sy ny mpanaraka ny gazety hatramin’izay anefa, mahafantatra avy hatrany fa tsy izy izany. Misy ihany anefa ireo mpampiasa “Facebook” mihinana am-bolony avy hatrany ka voajonon-dry “kerisay”… Ho azy ireo, tsy hampirefarefa ny fampahalalam-baovao, tsy hampidina lanja ny mpamaky azy izany mihitsy ny gazety Taratra.

Zo ny Aina Randriatsiresy

Les commentaires sont fermées.