Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Mikatona ny ridao

Efa diso be loatra izay ireo kalazalahy olom-pantatra itoerana ahiahy no tafaporitsaka any ivelany izay vao amelomana lakolosy, anisan’izany ilay jiolahy malaza tamin’ny fisolokina vahoaka ampahibemaso nandraoka vola tamin’ny sobika, nanoatra noho ny fivarotana saka beloha nandray vola tolo-botsitra  takalona «ordinateur» mirary vidy mbola any akibon’ny omby. Mpamily taxibe aza ity nadoboka am-ponja nohon’ny fiheverana azy tompon’antoka miaraka amin’ilay resevera izay nitifitra totohondry vehivavy tsy nanaikinaiky ny fanaovana jadona amin’ny fiodinana antenantenan-dalàna tsy misy famerenana ny saran-dalàna notakiny sy noraisina tsy an-drariny. Ny mpanao fitaka be tsy ampoizina misy ahavita kosa no afa-maina tsy hitan’ny fitsarana ho enjehana fa efa madio ny rano nitany vao miseho mikoropaka ireo tompon’andraikitra izay tsy tazana izay nataony tamin’ny mbola teto an-toerana ireo olona mampiahiahy.

Heno matetika ny fisamborana ny mpitandro filaminana olon-dratsy eo am-panomanana teti-dratsy, mahagaga anefa fa akama akama izao no namitahany ilay Kotofotsy olo-maro ka izy mpisoloky indray no narovan’ny mpitandro filaminana koa rehefa nikorontana nitaky ny volany ireo voafitaka, tsy fantatra intsony ny anjaran’ny Fampanoavana mikasika ny fanenjehana an’ireny nandraoka vola tsy andrariny ireny, araky ny fantatra anefa zo sady andraikitry ny mpitsara ao amin’izany sampana izany no manainga fanenjehana an’izay tompon’antoka nitarika fikorontanam-bahoaka sy manetsika ny fanaovana fiadiadina momban’ilay raharaha.
Raha vao voatonona izany anarana Barinjaka, James, Maharante sy ireo sasany toy I Fleury izay tsy hay ho tanisaina dia efa samy resy lahatra avokoa ny olomaro eto amin’ny fiarahamonina fa tsy ny eloka nataon’izy ireo intsony no mampiahiahy fa ny fomba nahafahany niporitsaka any ivelany. Tsy ny fitilina anarana anefa no tsy misy eny amin’ny seranana rehefa ivoaka any ivelany, ary indraindray aza taratasin’olon-tsotra tsy manana ahiahy izao no avadibadiky ny polisy mandritra ny fotoana ela, izay no fiarovana ny sisan-tany nefa mbola tafitan’ny olona noheverina nanefa eloka mamoafady.
Amin’izao fotoana izao raha notsetsenana ny makarakara nahazatra ny mpanao raharaha maizina mba ahafahany itsoaka mangina, miainga indray ny fanakianana mitatitra fanjakazakana. Voasakana tsy avela ivoaka any ivelany I Arizaka Rabekoto sy I Ny Rado Rafalimanana. Fantatra fa samy itoerana disadisa nohon’ny tsy  fifankazahony amin’ny olona eo amin’ny fitondrana izy ireo, tsy izay kosa anefa no afaka atao antony anaovana baranahana ka amelana azy malalaka raha toa misy raharaha mandringotra azy ireo eny amin’ny fitsarana, raharaha mitaky fandalinana amin’ny fanaovana fanadihadiana. Mikatona ny varavarana, antenaina ho tsy misy fanavakavahana.


Léo Raz       

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique