Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra Menabe: tsy ampy ny famatsian-drano avy ao Dabara

Faritra Menabe: tsy ampy ny famatsian-drano avy ao Dabara

Taona maromaro izao, mandalo fotoan-tsarotra ny fitantanana ny tohodrano Dabara any amin’ny faritra Menabe. Tsy ampy ny rano, ny tany volena mitombo, miady rano ny mponina.

Raha 12 m3 /segondra ny rano avoakan’ny tohodrano Dabara tany aloha, lasa 7 m3 izany amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Antony, noho ny fahapotehan’ny tontolo iainana mitarika fihenan-drano any amin’ny faritra andrefana iny. Miady rano ny mponina any amin’ny manodidina noho izay tsy fahampiana izay ka manahirana ny fitantanana io fotodrafitrasa io, ankehitriny. Tany aloha, nahavitana namboly vary intelo isan-taona ny famatsian-drano avy ao Dabara, ankehitriny indroa na fotoam-pambolena iray sisa ny vita, noho izay tsy fahampian-drano izay ihany.

Ankoatra ny mponina miady rano, mifandona amin’ny mpitantana ihany koa izy ireo. Manazava ny tompon’andraikitra fa tany am-piandohana ho an’ny velaran-tanimbary 8000 ha ny rano avy ao Dabara, amin’izao fotoana anefa, efa ho 18 000 ha ny tanimbary any amin’ny manodidina. Sarotra ny misakana ny olona tsy hamboly vary, saingy ny rano tsy ampy nefa tsy mora koa ny mitsinjara izany. Karazany mandrora mitsilany ihany ny mponina any an-toerana  avy amin’ny fanimban’izy ireo ny tontolo iainana, na izany aza , ho an’ny tanimbary 8000 ha ihany ny voatondraka avy ao Dabara, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra any an-toerana.

Misy fotoana tsy maintsy hidina

Misy fotoana tsy maintsy hidina amina fotoana voafetra ny famatsian-drano ho an’ny faritra sasany. Tsy faly amin’izany ireo mpamboly ka mivondrona manery ny mpitondra hamaha ny rano. Voatery, amin’ny fotoana sasany, antsoina ny mpitandro filaminana miambina ny tohodrano, vao mainka miteraka fahasorenana ho an’ireo mpamboly.

Sompitra iray lehibe amin’ny famokaram-bary ny faritra Menabe. Ny olana ateraky ny tsy fahampian-drano anefa efa mampihena ny vokatra amin’izao fotoana izao. Sarotra ny ahitana vahaolana avy hatrany noho ny fahasimban’ny tontolo iainana, fa ilay fotodrafitrasa koa mila ampiana na jerena tetikasa hafa. Dabara akory tsy misy olana fa ny rano mihitsy no tsy ampy. Mbola olana hafa ny any Marovoay sy Alaotra izay sompitr’i Madagasikara daholo, saingy tsy misy fanajariana hatramin’izao.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.