Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Amoron’i  Mania: tsy ampy betsaka ny voka-bary

Navorin’ny talem-paritry ny fambolena, fiompiana sy ny jono ao Amoron’i Mania ireo mpisehatra rehetra amin’ny lalam-pihariana vary any amin’ny faritra, ny fiandohan’ny volana febroary ity. Nantsoina ireo mpamboly, mpanangom-bokatra, mpitatitra, mpaninjara, niara-nidinika hanatsarana ny voka-bary any an-toerana. Natsangana, noho izany, ny vovonana ho an’ny fampandrosoana ny fihariana vary handrindràna ny asa rehetra hampitombo ny vokatra.

Tombanana eo amin’ny 5000 t isan-taona eo ny voka-bary  any amin’ny faritra Amoron’i Mania, saingy efa kely no tsy fantatra hoe mankaiza daholo ireo, raha ny fanamarihan’ny ao amin’ny faritra. Misy aza  manafina ny vokatra hanararaotana hampiakarana ny vidiny eny amin’ny mpanjifa. Koa ity vovonana natsangana any amin’ny faritra ity, hanatsarana ny famokaram-bary, manomboka any amin’ny fambolena. Hanangonan-kevitra izany hahafantarana ny tinadin’ireo mpamboly, ohatra, ny masomboly sy ny fanajariana ny tanimbary; ny lalana ho an’ireo mpitatitra; toerana fitahirizam-bokatra ho an’ireo mpanangom-bokatra.

Toy ny amin’ny faritra rehetra, karazany maro ny fomba fambolem-bary any Amoron’i Mania : misy amin’ny tanimbary voatondraka, tavy, baiboho. Mifandray amin’ny fomba sy kolontsaina any an-toerana izany, raha ny fanadihadiana nataon’ny FAO sy ny Vondrona eoropeanina tany amin’ny fiandohan’ny taona 2000, izay mbola tsy miova hatramin’izao. Mpamboly 22 % monja no manana tanimbary mihoatra ny 1 ha.

Fomban’ny tantsaha zara rehefa mamboly vary, mamboly mangahazo sy vomanga ho an’ny sakafo andavanandro. Koa tsy maharaka ny tinady ny vokatra, nihena 5% hatramin’ny 12 % tato anatin’ny 10 taona. Ny vokatra avy any amin’ny faritra sasany, Alaotra na Vakinankaratra, miampy ny avy any ivelany no mameno ny banga eny an-tsena any Amoron’i Mania.

 

R.Mathieu

 

Les commentaires sont fermées.