Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manatona ny ilany atsinanana: hitondra orana ilay andian-drahona

Manatona ny morontsiraka atsinanana tsikelikely ny andian-drahona navelan’ny rivodoza Francisco, araka ny fanazavan’ny mpamantatra ny toetry ny andro,omaly. Alizay malefaka no mandrafitra ny toetry ny andro, anio. Hihamahazo hery izany ary hatanjaka hatramin’ny alarobia ho avy izao ary hitondra orana ho an’ny ilany avaratra atsinanna sy atsinanana iray manontolo. Hahazo rotsak’orana betsaka, manomboka ny alarobia ny ilany atsinanana rehetra ary mety hiitatra aty amin’ny atitany. Hidina koa ny maripana any atsinanana hatrany Androy.

Momba ny toetry ny andro anio, maina ny toetry ny andro eto afovoan-tany fa ny ilany avaratra no ahitana orana. Hihena ny maripana eto Analamanga sy any Vakinakaratra ka hahatratra 27°C. Mafana be any andrefana satria 40°C ny ambony indrindra. Rahampitso, hihamafy ny alizay ka hahazo orana ny any amin’ny tapany atsimo atsinanana sy any Vatovavy.

Vonjy     

Les commentaires sont fermées.