Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo: noderain’ny filohan’ny Bad ny filoha Rajoelina

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo: noderain’ny filohan’ny Bad ny filoha Rajoelina

Niavaka  ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina  (UA), tanterahina atsy Addis –  Abeba raha ho an’i Madagasikara manokana. Nahazo sitraka  tamin’ny filohan’ny  filohan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ny filoha  Rajoelina sy i Madagasikara.

Nambara tamin’ny fomba ofisialy fa tompondaka amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny filoha, Rajoelina Andry. Nanamarika izany ny filohan’ny Bad, i Akinwuni Adesina raha nihaona amin’ireo filoham-panjakana rehetra eo anivon’ny UA manatrika ny fivoriana faha-33 any Etiopia, nanomboka, omaly. Niompana indrindra tamin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo  ny dinidinika tamin’izany.

Notsiahivin’ny filohan’ny Bad fa anisan’ny anton’izany  maha  tompondaka ny filoha Rajoelina izany ireo hetsika rehetra ataon’ny fitondram-panjakana,  indrindra any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy.

Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny filoha ireo fandaharanasan’ny fitondrana eo amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny sakafo, ny fampidirana rano madio fisotro ary indrindra ireo tetikasa famokarana sakafo ara-pahasalamana.

Tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka

Tafiditra ao anatin’izany koa ny  ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka.

Anisan’ny mitarika izany  ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izany ny filoha, indrindra any atsimo ka hanatanterahana ireo paikady maromaro itondrana fanampiana ho an’ireo fianakaviana ianjadian’ny haintany noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana. Miara- miasa amintsika amin’izany ireo  mpiara-miombona  antoka  eto an-toerana sy ny sehatra iraisam-pirenena.

Manampy ireo ny tetikasa samihafa, toy ny fanomezana sakafo ho an’ny fianakaviana marefo sy ny fanaovana asa tanamaro. Eo koa ny fizarana fanampin-tsakafo sady fanafody ho an’ny zaza madinika.

Vonjy  

 

Les commentaires sont fermées.