Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tao anatin’ny efatra andro: fiara 80 nampidirina «fourrière», fiaram-panjakana ny roa

Tao anatin’ny efatra andro: fiara 80 nampidirina «fourrière», fiaram-panjakana ny roa

Nanao hetsika fitsirihana an-dalambe ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR), nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Tamin’ireo fiarakodia 1417 nosavaina, tao anatin’ny efatra andro, niisa 417 ny nahitana tsy fahatomombanana. 80 ny fiarakodia nampidirina ”fourrière”, nahitana fiaram-panjakana roa.

Hetsika notontosaina teto Antananarivo sy ny manodidina ampian’ireo zandary avy ao amin’ny foibe fibaikoana ny zandarimariam-pirenena ny nahazoana izao vokatra izao. Ho fametrahana ny tany tan-dalàna hiarovana ny vahoaka amin’ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny tsy fahatomombanana teknika izany. Tafiditra koa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana noho ireo fiara mamoaka setroka tafahoatra sy ny fanenjehana ireo fiara efa tena ratsy sy simba lava ka mitarika fitohanan’ny fifamoivoizana. Nohamafisin’ny DGSR, nandritra ity hetsika ity, fa nisy fiara iray nahiahina ho nampiasa hosoka ka hanofakana fanadihadiana raha nisy fiara iray hafa kosa tsy navela hihetsika teo amin’ny DGSR noho ny tsy fananany mihitsy taratasy sy ny tsy faharatsiany ka mbola hanokafana fanadihadiana. Fiaram-panjakana roa tsy nahitana taratasy sy tsy mbola nanatanteraka fitsirihana teknika ka nandraisana fepetra avy hatrany toy ireo fiaran’olon-tsotra. Maro ny tsy fahatomombanana teknika hita nandritra ny hetsika natao, toy ny faharatsian’ny fiara ao anatiny sy ivelany, ny fiara mamoaka setroka tafahoatra, ny taxi mampiasa solika alefa mivantana amin’ny bidao na tavoahangy, ny tsy fananana taratasy na ny tsy fanatanterahana fitsirihana teknika sy ny fanaovana hosoka.

“Tsy ekena ny fanelanelanana…”, hoy ny DGSR

Ho hentitra ny fisavana amin’ny tsy fanarahan-dalàna toy ny tsy fanaovana mihitsy fitsirihana teknika sy ireo efa lany fetr’andro, indrindra ireo fiara ahitana tsy fahatomombanana nefa mbola miasa sy mifamezivezy, araka ny fanazavan’ny DGSR. Voaporofo, nandritra izao hetsika izao, fa tsy manana “visite technique” ireo fiara tena ratsy mifamezivezy mitatitra entana toy ny biriky, ny fasika, ny simenitra eto an-dRenivohitra ny ankamaroany. “Tsy ekena ny fanelanelanana hisian’ny fifamoivoizana hieren-doza. Koa manentana ireo olona tsara sitrapo amin’ny fanomezana angom-baovao amin’ny alalan’ny pejy facebook: “DGSR Mada” na amin’ny laharana: 034 77 777 03 / 034 14 010 05 / 034 05 530 19/ 034 13 975 56 ny mahakasika ireo fiara ratsy na ahiana hitera-doza.

Jean Claude

Antony telo ny mahatonga ny fiara iray hogiazana na ampidirina « fourrière ». Voalohany, lany fe-potoana ny fitsirihana teknika. Faharoa, tsy natao fitsirihana teknika mihitsy ilay fiara. Fahatelo, notsirihina tany amin’ny ivontoerana fitsarana ilay fiara, saingy tsy lany ara-teknika ka tokony ho namboarin’ny tompony ny tsy tomombana. Saingy, tsy nataony izany fa mbola nentiny niasa na nivezivezy ihany ilay fiara.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique