Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Depiote  maromaro: “Tsy misy olana ny hambolen’ny Arabo ao Bas Mangoky”

Depiote  maromaro: “Tsy misy olana ny hambolen’ny Arabo ao Bas Mangoky”

Tsy misy ny olana.“Tafiditra amin’ny veliranon’ny filoha Rajoelina, ho an’ny fahavitantena  sakafo io tetikasa fambolena vary sy voamaina ao Bas Mangoky io… Tsy marina ary tsy mitombina velively koa ny filazana fa efa an’ny mpandraharaha malagasy iray izany tany  izany. Efa nohamarininay ny momba io velaran-tany io”, hoy ireo depiote maromaro, tetsy Tsimbazaza, omaly. Nambaran’izy ireo fa anisan’ny hanaovana izany fambolena izany ny ilany havanana ao Bas Mangoky, tsy misy olona mamboly. “Tsy misy tanàna esorina ary tsy nampidirina ao anatin’izany tetikasa izany na misy aza izany”, hoy ihany izy ireo. Ny 80% amin’ny vokatra, hamidin’ny fanjakana any ivelany ary amin’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izany. Ny 20% kosa, hamidy eto amin’ny tsena anatiny. “Tafiditra amin’ny vina iray hetsy hektara hambolena sakafo ity tetikasa ity. Mbola manana velaran-tany hatrany amin’ny 105 000 ha isika amin’ny faritra samihafa azo hambolena ary malalaka amin’ny  fahazoana izany ny mpandraharaha teratany. Tsy olana izany rehefa mahafeno ny fepetra rehetra izy ireo”, hoy ihany izy ireo.

Tsiahivina fa anisan’ny hambolena amin’izany velaran-tany 60 000 ha izany ny vary sy ny katsaka ary ny varimbazaha. Eo koa ny voanjo sy ny kabaro ary ny soja.

Synèse  R. 

Les commentaires sont fermées.