Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Belo sur mer: nivoatra ny fomba fanjonoana

Belo sur mer: nivoatra ny fomba fanjonoana

Fomba fanjonoan’ny mponina any Ambalahonko, ao anatin’ny faritra arovana Biosphère Kirindy Mite any Belo sur mer, hatramin’izay ny mandroaka faobe ny hazandrano mitsingevana ambony rano, antsoina hoe « tarikaky ». Nanapotika ny tontolo anaty rano rehetra izany, ka nahatonga azy ireo hampiato ity fomba ity tamin’ny alalan’ny fikambanan’ny mpanjono, Fikambanasoa, tarihin’i Tsiaheza.

Niova izany, ankehitriny, ka tsy manjono intsony izy ireo, raha tsy amin’ny alalan’ny fampiasana harato, na manjono amin’ny fintana na manjono ambony lakana. Tanjona, ny hiarovana ny tontolo an-dranomasina, toeram-ponenan’ny hazandrano, sy ny hitomboan’ny trondro, mba hoavin’ny taranaka any aoriana.

Nahafahan’i Tsiaheza nanatanteraka izany ny fitsidiham-paritra sy ny atrikasa nakana traikefa tany an-toeran-kafa, tany Toliara sy Belo ambonin’i Tsiribihina, mikasika ny fitantanana maharitra ny jono sy ny harena an-dranomasina.

Manana vina hanangana faritra arovana ho an’ny jono roa ny mponina any Ambalahonko, hiarovana sady hampitomboana ny hazandrano. Eo koa ny fiarovana ny ala honko sy harena an-dranomasina. Nitsotra i Tsiaheza fa “ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hitantanana tsara ny harena voajanahary”.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.