Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiompiana sy varotra: mila mitandrina amin’ny henakisoa

Fiompiana sy varotra: mila mitandrina amin’ny henakisoa

Seha-pihariana iray mampidi-bola haingana ny fiompiana kisoa eto Madagasikara. Samy manana ny fomba fiompiany ny rehetra fa iombonan’ny maro anisa ny mampatavy azy haingana hamidy eny an-tsena. Maherin’ny 700 miliara ariary isan-taona  ny vola mihodina amin’ny fiompiana kisoa, araka ny tarehimarika navoakan’ny MPE (Malagasy profesionnels de l’élévage). Mpiompy manam-bola malaza amin’ny fiompiana kisoa no mampiditra « hormones » amin’ny kisoa hampatavy azy haingana. Fantatra izany eto Analamanga, Itasy, Bongolava, Menabe, Sofia, Alaotra Mangoro, Vakinankaratra.

Niombom-peo tamin’izany ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny minisitera misahana ny fiompiana tamin’ny taona 2016, saingy mangingina indray izany amin’izao fotoana izao. Ny ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fiompiana tsy sahy manambara mivantana ny voka-dratsin’ny “hormones” ampidirina amin’ny kisoa, sao hampihemotra ny mpanjifa, manjary misy fiantraikany any amin’ny mpiompy.

Ny minisiteran’ny Fahasalamana anefa, efa nanambara ny voka-dratsin’izany amin’ny fahasalamana, miteraka fahatapahan’ny lalan-dra (AVC), fahalemen’ny taolana, fahamombana amin’ny vehivavy tanora. Manamarina izany ny mpikaroka maro eran-tany. Raha ny fanadihadiana nataon’ny sampandraharaha misahana ny fahasalaman’ny biby, 80 % amin’ny hena avy amin’ny kisoavavy misy io « hormonones » io avokoa.  Ny mpanjifa tsy mahafantatra izany fa hena no hitany, ny marina misy ny loza, araka ny fanadihadiana nataon’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Misy anefa ny lalàna mifehy ireo mpiompy sy mpivarotra tsy manara-dalàna.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.