Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

AVY ANY IVELANY

AVY ANY IVELANY

: Ankoatra an’i Hery Bastien, fantatra ihany koa izao araka ny vaovao hita tamin’ny tambajotran-tsesera, omaly fa nanaiky ny hanatevina ny Barea de Madagascar ihany koa, i Hakim Abdallah, mpilalaon’ny FC Nantes. 22 taona izy ary mirefy 1,84 m milanja 79 kg.

Niakatra eo amin’ny laharana fahafito eran-tany “WTA”, taranja tenisy vehivavy ilay Amerikanina, i Sofia Kenin. Tsiahivina fa vao avy nandrombaka ny “Open d’Australie” izy, ny alahady lasa teo.

Mety ho tsy anisan’ireo taranja hifaninanana amin’ny lalao Olympika ho an’ny olona manana fahasembanana, “paralympique”, hatao any Japon, ho an’ity taona 2020 sy any Paris, ny taona 2024 ny basikety eny ambony seza misy kodiarana. Antony, tsy mazava ny fomba hamaritana ireo ekipa tafakatra amin’izany lalao izany.

Nangonin’i Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique