Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Songadina an-tsary

Songadina an-tsary

Tsy fahaizana mamaky teny sa fanahy iniana tsy hajaina izay voasoratra? Efa miharihary izao ny soratra ataon’ny tomponandraikitra, mbola io ihany fa mijanona eo. Ny sasany aza, sahy mamafa tsotra izao ireo karazana fandrarana ireny. Mila ovaina ilay toe-tsaina raha tiana ny handroso e!

Mba an’iza ary itony? Aleo ny tompony no hahatsapa tena fa tsy mety ny ataony mametraka moto amin’ny toerana toy izao. Aoka izay kosa ilay gaboraraka e!

Nesorina ny « box » manoloana ny Hopitalin’ny zaza etsy Tsaralalàna noho ny tombontsoan’ny besinimaro. Fanarahana avokoa ny fandaminana izany.

Rehefa nesorina tamin’ny sisin-dalana, lasa nameno ny parking indray ireo mpivarotra. Sahirana, araka izany, ireo fiara sy ny moto ka mibahan-dalana manelingelina ny fifamoivoizana.

Efa hita soritra etsy Behoririka ny halalaky ny lalana rehefa niala ireo mpivarotra amoron-dalana. Tsy sahirana intsony ny mpandeha an-tongotra. Mba izay ahay!

Etsy andaniny, efa manomboka mihazatra mampiasa ny toerana fiampitana natokana ho amin’izany ny mponina. Tafita ny hafatra ry ingahy polisy a!

Hisorohana ny fiakaran’ny rano etsy Besarety rehefa mirotsaka ny orana, nanadio ireo tatatra ny eo anivon’ny Samva. Mba ho nofy ratsy sisa ireny niaretana nampikaikaika taloha ireny.

Sary : Tiana R, Mamiherison ary Fanou

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique